<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Henoy ny antson'ny Tompo FFPM765</title>
<lyrics>[V1]
 Henoy ny antson'ny Tompo ;
 « Iza no ho irakay,
 Vonon-kandeha sy hanompo,
 Hiasa an-tany hay ? »
 Adidy sarotra hefaina
 Asa mangetana re,
 Maty handritra ny aina,
 Iza no vonona re ?

[V2]
 Tsy didy miendrika baiko
 Nefa mahery tokoa ;
 Nanindry mafy ny saiko
 Ny antsonao, Tompo soa
 Satriko lavina anefa
 Manery ahy hanoa,
 Any am-po no miantefa,
 Ny ako, onjany koa.

[V3]
 Inty, ry Tompo malala
 Izaho ho irakao,
 Nofo ka misalasala
 Raha toa tsy tohananao.
 Ny foko omeo fahendrena
 Hanao ny sitrakao,
 Ny saiko mora mivena
 Fenoy ny hasoavanao.

[V4]
 Vonona ka hamasino
 Hanefa ny irakao ;
 Eny, ry Tompo, vimbino
 Handia ny lalanao.
 Sarotra nefa hataoko
 Ny asa atolotrao,
 Ny sitrapo dia hafoiko,
 Tohano ny herinao.
 NY HIRAN'NY ANKIZY</lyrics>
<hymn_number>765</hymn_number>
<author>J. Rajaonah</author>
</song>